- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tokantrano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe : Tokantrano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray mpiasan’ny Star nody alina  no noheverin’ny fianakaviana iray ho jiolahy ka avy hatrany dia novonoiny tsy nananany antra mihitsy.

Tao amin’ny fokontany Andafiatsimon’ny Star, tao Ampahatra, no nisehoan’ity tranga ity ny alatsinainy lasa teo. Voalaza fa avy namonjy lanonana tao amin’ny toeram-piasany io lehilahy io ary somary efa nandraindray alikaola kely. Teo amin’ny tranon’olona iray mifefy hazo izy no nanara-tsisiny raha izy hody iny. Avy hatrany anefa  dia nisy nidaroka ary nentin’ireo lehilahy tao an-tranony fa nambaran’izy ireo ho olon-dratsy. Tsy nihaino izay fanazavany ireo tompon-trano fa dia nanaram-po tamin’ny daroka sy vono ary tsindrona antsy. Naratra mafy vokatr’izany ity lehilahy ity ary volaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana mihitsy amin’izao vokatr ‘ilay tsindrona antsy.

Tezitra ny fokonolona teo an-tanana raha naheno izany ka  ny talata tokony ho taminn’y 11 ora alina, fokonolona maro no tonga tao amin’ilay trano nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Raikitra ny tora-bato sy fanimbana ilay tanana , efa ravan’ny olona ny fefy ary trano iray teo ivelany no efa potika. Tonga aloha anefa ny mpitandro filaminana nanakana ny sakoroka. Voatery nanao tifi-danitra mihitsy ny mpitandro filaminana nentina nanaparitahana ireo fokonolona maro be. Taorian’izany, nentin’ny mpitandro filaminana nandositra ireo fianakaviana namono ireo hiarovana any ainy. Nisy tamin’izy ireo no efa voatazona ka isan’izany ireo nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana.

Araka ny fanazavan’ny mponina teny amin’ny manodidina hatrany, fianakaviana tsy dia mahay miara-miaina eo amin’ny fiaraha-monina mihitsy ireo saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Tsy vao sambany no nisy fihetsika feno herisetra toy izao nitranga ary efa nisy tamin’izy ireo no niditra am-ponja, nefa dia izao mbola manao  ny ataony izao. Efa ela rahateo, hoy hatrany ireo mponina sendra ny mpanao gazety teny an-toerana, no niandrasan’ny fokonolona azy ireo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici