Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray teto Antsirabe ny alin’ny alahady lasa teo. Tokantrano roa no nasesin’ireo jiolahy notafihana tao Tombontsoa tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any.
Araka ny loharanom-baovao, roa lahy monja ireo jiolahy nanao ity asa ratsy miharo herisetra ara-nofo ity , fantatra fa mitondra basy ry lerony. Raha ny fahenoana ny vaovao dia ny hanolana mihitsy no tena tanjony, ankoatra ny fandrobana ataony. Vantany vao tafiditra tao amina tokatrano iray mantsy ireto jiolahy ireto dia ny zazavavy no notadiaviny voalohany. Tsy nisy afatsy bandy kely roa lahy niandry trano anefa no tao fa tsy tao ny tompon-trano, ny anabavin’izy roa lahy indray no notadiaviny avy eo sady nambanana basy ry zalahy. Nilaza ireto bandy kely ireto fa tsy misy olon-kafa ankoatra azy roa lahy tao fa any Antsirabe ny anabaviny. Nakoratana’ireo jiolahy ny trano ary nanontaniany ny misy ny vola , fantatra fa vola iray hetsy ariary tao anaty boatin-drakitra no hitan’ireo jiolahy dia iny izy no lasa. Tsy nijanona teo ny fanafihana fa nifindra trano hafa indray ireto malaso nitady ny hazany. Tao amina tokantrano iray tsy dia mifanalavitra loatra amin’ ilay lasibatra voalohany no nidirany, tao no nisy tovovavy kely taizan’ny tompon-trano vao 14 taona monja. Io no niharan’ny habibian’izy roa lahy ireto ka nitondra faisana mihitsy tamin’ny fanolanana nahazo azy. Tsy nijanona mihitsy ny rà tamin’ilay zaza na dia teny amin’ny hopitaly aza, araka ny filazan’ny loharanom-baovao hatrany. Tombana moa no hilazana fa mety niharan’ny herisetra ka mety nampidirana zavatra hafa mihitsy ny fivavian’ilay zaza vokatry ny rà tsy nety nijanona taminy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay zaza hatramin’izao raha ny heno farany. Ankoatra izany, nobatain’ireo jiolahy izay azo nobataina rehetra tao an-trano rehetra.
Andry N.