- Publicité SW45 -
mercredi, avril 17, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tokantrano voatafika, zazavavy roa naolana

Antsirabe : Tokantrano voatafika, zazavavy roa naolana

Tokantrano iray eny Vatofotsy Mahafaly no notafihan’ny jiolahy ny alin’ny alahady 8 desambra  lasa teo, tokony tamin’ny 12 ora alina. Dimy lahy tsy nisaron-tava miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy, lefona, sabatra , famaky no nanao ny fanafihana. Nanao amboletra niditra ireo jiolahy ary nambanany tamin’ny basy ny tao an-trano. Nolazain’ireo jiolahy fa misy vola 50 tapitra ao amin’ity tokantrano ity ka izay no notakiany. Fantatra fa misy trano lehibe iray vao amboarina mifanila amin’ilay tokantrano voatafika ka noheverin’ireo jiolahy fa  ity tokantrano nidirany ity no tompon’io trano vaovao io, ka nitakiany  vola be. Nilaza ny tao an-trano fa tsy misy izany ao aminy ary niezaka nanazava fa tsy azy ihany koa ny trano, vola telo alina ariary no tao an-trano ka izay no nomena ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky ireo jiolahy ka nandrahona hatrany, rehefa tsy nahita izay notadiaviny izy ireo  dia zazavavy  roa tao an-trano no nalain’izy dimy lahy ka nanaovany ny filan-dratsiny tao antokotanin’ilay toerana ihany. Araka ny fanazavana voaray dia tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no nanolanan’ireo tsy mataho-tody azy mirahavavy ireto. Norahonana  tamin’ny antsy  izy roa mba tsy hanohitra, ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny kosa nambenana tamin’ny basy . Araka ny vaovao voaray hatrany moa dia mbola « madio » ireto zaza voaolana ireto, ny iray 19 taona ary 16 taona kosa ny zandriny. Ny tena mamoafady, raha ny fantatra,  dia mbola fadim-bolana ny iray tamin’izy roa ka tany amin’ny fitombenany no nanaovan’ireo jiolahy ny filan-dratsiny diso tafahoatra. Simba tanteraka noho izany izy roa kely ka voatery nozairina mihitsy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser