- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilRégionsANTSIRABE : Tontosa ny fakan-kevitra mahakasika ny lalàna mifehy ny serasera

ANTSIRABE : Tontosa ny fakan-kevitra mahakasika ny lalàna mifehy ny serasera

Mitohy ny fakan-kevitra any amin’ny faritra ( sary Andry N)

Mitohy ny fakan-kevitra isam-paritra mahakasika ny hanovana na hanitsiana ny andininy sasantsasany amin’ny lalana mifehy ny serasera sy ny LAICP na « loi sur l’accès à l’information à caractère public ».

Nahatontosa ny azy ny teto Antsirabe ny  herinandro lasa teo niarahana tamin’ny MSK tao amin’ny tranoben’ny kolontsaina. Ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena no nanantanteraka azy ity ny 6 Novambra lasa teo. Marihina fa efa  ela ihany ny adisisika sy haitaky nataon’ny mpanao gazety ho fampandaniana ity volavolan-dalana  “LAICP” ity, maro ny fampiofanana nomena ny mpanao gazety manarena ny faritra, izay nokarakarain’ny Ilon-tsera ary mbola mitohy ny asa ataon’ity farany mahakasika ny adisisika.

Tanjon’ny adisiska sy izao fankan-kevitra izao ny hahafan’ny mpanao gazety misitraka ny antotan-tarata sy tahirin-kevitra marina sy ofisialy eny anivon’ny ministera sy ny sampandraharaham-panjakana hanatanterahiny asany.

Nitarika ny fotoana teto Antsirabe ny sekretera jeneralin’ny MSK Fetra Rakotondrasoava, notronon’ny prefet an’Antsirabe sy Rtoa sekretera misahana ny lalàna  eo anivon’ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra.

Andry N.  

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici