Nanomboka ny voalohan-dohan’ny volana teo no efa tsikaritr’ireo olon-dehibe tao an-trano, ny fijaijaikoan’ity tovolahy ity, izay olona miara-mipetraka amin’izy ireo ihany tao amin’ny efitranon’ilay zaza. Nezahin’ireo notratrarina ary tsy afa-bela intsony, ny andron’ny alakamisy lasa teo. Natolotra avy ny pôlisy tao amin’ny fitaleavam-paritr’i Vakinankaratra.
Tsy fianakaviana akory ity lehilahy namoa-doza ity, araka ny fampitam-baovao azo fa olona taizan’ireto fianakaviana ireto, ary efa natao ho isan’ny zanaka an-trano mihitsy. Efa ho roa taona teo ho eo izay no nipetrahany tao amin’io tokatrano iray tao Antsirabe, saingy izao namoa-doza izao. Ny alakamisy lasa teo tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any no tonga nametraka fitoriana tany amin’ny biraon’ny pôlisy ny renim-pianakaviana iray. Lehilahy iray 26 taona no voalazany fa nanolana ny zanany vao 11 taona. “Olona tazain’izy ireo tao ilay lehilahy fa tsy fianakaviana ary efa iray trano tamin’izy ireo tao Antsirabe. Efa niara-nonina fon’izy ireo tany Fort-Dauphin ihany koa” rah any loharanom-baovao azo. “Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa ny 10 oktobra 2022, tsikaritr’ilay renin’ilay zaza ity tovolahy ity mivezivezy niditra sy nivoaka nijaikojaiko moramora avy ao amin’ny efitranon’ilay zaza. Ny tolakandron’ny 27 oktobra 2022 dia mailomailo ity lehilahy ity ary efa nendrasan’ny mpiray tampo kendry tohana” hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Mbola nanapa-kevitra ny handositra ihany anefa ny anao lahy saingy tsy namelan’ireto fianakaviana nanana ny zanany niharan’ny herisetra ara-nofo ireto raha tsy voasambotra. Nantsoina avy hatrany pôlisy nony avy eo ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ilay lehilahy voalaza fa mpanolana. Noraisin’ireo mpanao fanadihadiana an-tanana avy hatrany ny raharaha ary notazomina ho amin’ny famotorana azy ity mpanolana ity. Raha ny vaovao azo dia mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina azy ireo tompon’andraikitra amin’izao.
m.L