Zavatra mahavarina ihany no niseho teny amin’ny fokontany Antsongo Antsirabe tamin’ny alarobia lasa teo. Tovolahy vao 18 taona monja mantsy no tratran’ny olona niray tamin’ny alika teny amin’iny faritra iny. Tsy fantatra marina izay nataon’ity bandy kely ity fa dia izy izao tsy afaka niala teo amin’ilay biby izao no sarona izao. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa dia niraikitra teo mihitsy ny anao lahy ary voalaza fa tsy afaka niala. Ireo olona nahita azy no nisintona an’ilay zazalahy vao afaka izy. Malaza ratsy eo amin’ny tanàna ity zalahy ity. Amin’ny andavanandrony, mpanao halabotry no asany. Samy mahafantatra izany ny mponina. Efa leo an’izany anefa ny rehetra koa dia samy niandriandry azy. Fotoana elaela, tsy hita tampoka ilay tovolahy, hoy ny vaovao. Tamin’ny fotoana tsy nampoizina no nahatratrarana azy. Raha vao hita ny zavatra nataony dia niantso mpitandro filaminana ny mponina. Nandeha ny fanadihadiana satria fantatra fa mpangalatra ity bandy ity. Halabotry no tena mamapalaza azy. Io zavatra farany io no tsy maintsy nitondrana azy, omaly, teo anatrehan’ny Fampanoavana amin’ny tiribonaly Antsirabe.
Andry N.