Renin-jaza no nampiteraka ilay tovovavy mpianatra, teraka soamantsara ilay zaza saingy nariany tao amin’ilay ramatoa nampiteraka azy ihany. Mpianatry ny lisea iray eto Antsirabe ity tovovavy kely nahavanon-doza ity. Tsy fantatra aloha hatreto ny antony na hoe nisy fifanarahana fa dia nariany aloha ny zanany. Nijanona efa ho herinandro tao amin’ilay mpampiteraka ny zaza kely. Taorian’izay, nanatona fokontany ilay renin-jaza niaraka tamin’ilay zazakely. Nambarany fa nahita zaza kely nisy nanary tao Antanikatsaka, fokontany Antsinan’Ivohitra izy ary io nentiny io. Nasain’ny lehiben’ny fokontany nanatona ny polisy ilay ramatoa. Tany ity farany no nibaradaka, niovaova be ny valin-teny. Nambarany indray fa nahita tovovavy nihetsi-jaza izy dia nampiany tamin’ny fiterahana. Rehefa teraka ilay zaza, hoy ity ramatoa, dia nitsoaka ny reniny. Niroso ny fanadihadiana ary voasambotra tao amin’ny trano fonenany tao Ivory ilay tovovavy kely ary teo no nahafantarana ny marina rehetra. Nidoboka am-ponja avokoa na ilay ramatoa nampiteraka na ilay tovovavy mpianatra taorian’ny fitsarana azy ireo.
Andry N