- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tovovavy nanala zaza, naiditra am-ponja

Antsirabe : Tovovavy nanala zaza, naiditra am-ponja

Tovovavy kely mbola tsy ampy taona no fantatra fa nanala zaza ary nariany ilay zazarano. Tao amin’ny fokontany Ambohimanga Antsirabe I no nisehoan’ity tranga nampalahelo ity. Taorian’ny fahitana ilay zazarano nariana no nanokatra fanadihadiana ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Herinandro taorian’izay no nahitana vokatra ny fanadihadiana ka nahafantarana ny nahavanon-doza sy ireo mpiray tsikombakomba taminy. Isan’ny voafatotra tamin’ity rahaharaha fanalan-jaza ity ny ray aman-drenin’ilay tovovavy kely sy olona iray izay niray tendro tamin’ny fanalan-jaza. Olona efatra izany no nidoboka am-ponja hatreo noho ity resaka ity. Nirongatra ity fanalan-jaza sy fanariana zazarano ity tato ho ato raha ny eto Antsirabe sy ny manodidina. Fantatra fa in-dray isam-bolana no mahazo antso ny mpitandro filamininana mahakasika fanariana zazarano.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici