Saika ho isam-bolana dia itrangana haintrano hatrany eto Antsirabe sy ny manodidina. Trano tsy latsaky ny 20 indray mantsy no kilan’ny afo tanteraka omaly alatsinainy, tao amin’ny fokontany Atsimontsena. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nanomboka nisy firehetana nivoaka tao amina tokantrano iray. Voalaza fa afo avy tamina fatampera fanafanana akoho fakana nofo izy io. Izay no nipoiran’ny afo, raha ny filazan’ny olona teny an-toerana. Vetivety dia nitatra ny afo ary tapitra may avokoa ny trano nifanila taminy, izay marihina fa trano hazo ny 11 tamin’izy ireo. Na dia niezaka namono sy nanao izay tsy hitaran’ny afo aza ny fokonolona dia tsy nahefa firy, satria noho ireo trano hazo marobe ireo dia vetivety foana dia nahazo laka ny afo. Ny hany sisa azo natao dia niandry ny fahalevonan’ny afo. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa ny fahavoazana no be dia be. Lasa lavenona tao anatin’ny ora vitsy avokoa mantsy ny voangona hatrizay, ny ankamaroan’ireo niharam-boina moa dia ny fitafiana teny an-koditra sisa niangana. Misy tamin’ireo niharam-boina no manao fiompiana kisoa ka kisoa iray lehibe efa hiteraka no maty kilan’ny afo. nipoaka hatramin’ny kibony ka niparitaka eraky ny trano ireo zanaka kisoa kely tsy mbola vaky masoandro. Ankoatra izay torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa mpiompy “poulet de chair” ka voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Matetika loatra no itrangana hay trano mahatsiravina toy izao eto Antsirabe. Tsy mbola manana ireny fiara mpamonjy voina ireny moa ny kaominina Antsirabe na dia efa nodradradraina hatry ny ela aza fa hahazo an’io fiara io, saingy tsy hita hatramin’izao. Nambaran’ny filoha lefitra faharoan’ny ben’ny Tanana fa nisy zavatra tsy nety indray teo amin’ny fikarakarana ny hahazoana io fiara mpamonjy voina io ka voatery miandry kely indray ny fahazoana azy. Na izany aza dia misy fiara vonjimaika fampiasa amin’ireny fanondrahana voninkazo ireny ampiasana hamoana afo, ka mety mahavita izay vitany ihany izy io. Tsy nahafaly ny fokonolona anefa ny fahatongavan’io fiara io. Raha tamin’ny 10 ora no nanomboka nirehitra ny afo dia tamin’ny 12 teo kosa no tonga io fiara io. Fantatra moa fa mbola nanondraka voninkazo tany amin’ny toerana somary lavitry ny nisehoan’ny loza ilay fiara ary tsy nisy rano intsony koa ka mbola nameno izany teo amin’ny farihin’Andranomafana vao afaka niasa. Horakoraka sy eso no nasetrin’ny olona io fiara io fa nanohy ny asany kosa ireo namonjy voina.
Andry N.