Nisehoana hain-trano indray teto Antsirabe, trano iray no kilan’ny afo tanteraka ka zaza iray no maty, iray hafa maratra mafy vokatry ny fahamaizana nahazo azy. Tao Atsimontsena Antsirabe no nisehoan’ny loza, ny alin’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany alina tany ho any. Araka ny angom-baovao teny an-toerana, tsy tao ny ray aman-drenin’ireto zaza ireto fa marary mafy ao amin’ny hopitaly ny rainy, ka ilay ramatoa vadiny no niandry azy tany tamin’io alina io. Tsy fantatra izay tena niandohan’ny afo, fa trano efa nirehitra niharo setroka mainty be no tazan’ny mpiara- monina. Raikitra ny antso lava ka samy niezaka namonjy sy mpiray tànana rehetra. Nanano sarotra ihany anefa ny famonjena ilay trano sy tao anatiny, satria nihidy avy any anatiny ny varavarana hoy ny mpiray tanana nitantara. Voatery nopoirina ilay varavarana noho izany,efa niandry teo am-baravarana ny zaza roa tamin’io niandry izay mety hanavotra azy ireo. Avotra soamantsara ireo zaza roa ireo, nezahina navoaka koa ny roa hafa dia zaza lahy kely roa taona sy zazavavy iray 5 taona. Indrisy anefa, fa tsy tana intsony ny ain’ity farany vokatry ny hasemporana sy fahamaizana nahazo azy. Ny mpiara- monina teo an-toerana no nikarakarana ny razana sy nampiantrano azy telo mianadahy ary niantso mpanao ody may nitsabo ilay zazakely maratra mafy vokatry ny fahamaizana nahazo azy. Omaly maraina vao nampandrenesina ny zava-doza nitranga ny reniny ka ny solom-bavambahoaka no nitondra azy telo mianadahy teny amin’ny hopitaly,omaly maraina io. Ankoatra izay, tonga teny an-toerana koa ny teo anivon’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra nanome fanampiana ity fianakaviana tra-doza no tra-pahoriana ity. Matetika no itrangana hain-trano ao atsimontsena ao, ary mazàna tsy fantatra ny niandohan’ny afo. Maro trano vita amin’ny hazo koa mantsy amin’iny faritra iny, ka mora mahazo vahana ny fiitatry ny afo raha vao mirehitra.
Andry N.