Nitrangana hay trano mahatsiravina indray teto Antsirabe ny asabotsy 10 may 2014 lasa teo. May kila forehitra avokoa ny fanaka tao an-trano rehetra.
Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro no nitrangan’ny loza tao atsimontsenan’asabotsy. Trano lehibe iray misy rihana telo no may kila forehitra, ny rihana ambony indrindra no levon’ny afo fa ny sisa kosa avotra soamantsara ihany. Tsy nisy voavonjy fa may tao avokoa ny fanaka rehetra niaraka tamina vola izay tsy mbola fantatra mazava tsara. Afo avy tamina fifampikasohan’ny herin’aratra no voalaza fa niteraka ny loza ka nitarika ny firehetan’ny trano. Mpiavarotra ao an-tsenan’asabotsy no anton’asan’ny niharam-boina. Tsy nisy tao an-trano ny fianakaviana tamin’io fotoana io fa nivarotra avokoa ary nihidy daholo ny trano rehetra, ny setroka be nivoaka ny varavarana no nanaitra ny manodidina. Poa tahaka izay dia niredareda ny afo, nisahotaka ny mponina teo amin’ny manodidina. Vetivety dia vory ny olona namonjy ilay trano,saingy tsy nisy azo natao intsony fa ny famehezana ny afo tsy hihitatra sisa no natao. Fotoana vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy tamina oriansa iray tsy miankina taorian’ny fampandrenesana.
Lesoka lehibe iray ho an’ny tanàn’Antsirabe ny tsy fananan’ny kaominina fiara mpamonjy voina ka rehefa sendra loza toy izao dia voatery ny orinasa tsy miankina manana fitaovana no antsoina raha toa ka manan-katao ny niharam-boina. Ireo vahoaka no mifanome tanana miezaka mamono ny afo amin’ny alalan’ny fitaovana kely eo ampelatanana. Ankoatra ny loza niseho, nisy tamin’ireo vahoaka sasantsasany no mbola nanampy trotraka ny fahavoazan’ny niharam-boina ka nanararaotra nangalatra ny entana sasany sy ny vokatra navoaka teo an-tokotany.
Andry N.