Pastora iray no very moto teto Antsirabe tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2016. Nisy fihaonam-ben’ny komitin’ny synodam-paritany Avaratr’Imania, tany Ambohimandroso tamin’ny herinandro lasa teo,pastora iray avy ao Antanifotsy no nahatsikaritra fa misy moto mitovitovy tamin’ilay very tazany. Nidina tany ifotony avy hatrany ilay pastora hizaha ilay moto, saingy tsy tratrany tao intsony fa efa lasa . Raha ny fantatra mantsy, dia hikaramana hanaovana ireny taxi-moto ireny ity moton’ny pastora very ity. Nandrasana teo ranamana ka rehefa tafaverina dia noraisim-potsiny, rehefa nolazaina ity farany halatra ilay moto, dia tsy nisalasala izy namerina ilay moto. Tsy nijanona teo anefa ny raharahana fa nentina taty Antsirabe ranamana ary naiditra am-ponja avy hatrany vokatry ny fandraisana entana halatra. Nanondro ny olona nividianany ilay moto ilay rangahy, fantatra fa mponina ao Ampatana no nivarotra ilay moto taminy. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny polisy vao fantatra fa olona efa voarohirohy tamina halatra moto ny tompon’ilay trano. Ny alatsinainy lasa teo nanao ny fisavana ny polisy, nihidy avy any anatiny anefa ilay trano, nandrasana tsy nisy olona tonga mihitsy. Voatery niditra ny polisy nanao ny fisavana, tsy nisy olona tratra intsony anefa tao fa moto 3 no hita tsy fantatra ny tompony, ny sasany efa ravarava. Ankoatra izay nahitana “auto radio” sy karazan’etana maro tao.
Andry N.