- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Trano notetezin’ny varatra, omby iray maty, avotra ny ain’ilay tovolahy...

Antsirabe : Trano notetezin’ny varatra, omby iray maty, avotra ny ain’ilay tovolahy kely

Nilatsaka indray ny varatra tao Andrianana,  kaominina Antanimandry Antsirabe II . Tokantrano iray no niantefan’izany ka omby iray no maty ary tovolahy kely iray kosa no naratra.

Ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fahavaratra tanteraka isika amin’izao ary matetika no andrenesana, fa misy varatra nilatsaka indray tany ho any. Seho mateti-pintranga eto amin’ny faritra Vakinankaratra raheteo ity vara-datsaka ity. Fianakaviana iray monina eny Andrianana Ambidivona no nilatsaham-potaka ny alatsinaniny 15 desambra teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no niseho ny loza. Mbola tany an-tsaha daholo izahay fa fotoam-pambolena mantsy izao hoy ny raim-pianakaviana tafaresaka taminay teny an-toerana, nanomboka nanjombona ny andro ka namonjy fodiana izahay ary ny zanako roa lahy nampiditra ny omby tao ambany rihana. Avy namatotra omby izahay roa lahy, hoy Jean Claude ilay niharam-boina,  dia nialoka tao ambany lavarangana no injay tsaroako fa voly avokoa ny tapako  ambany rehetra  ary tsy tafantsangana intsony aho; fa nalemy ary  nandady tamin’ny tany. Poa tahaka izay, tsy nahatsiaro tena intsony izy, ka  ilay zandriny no nibata azy raha ny fanazavana. Efa nilatsaka ny varatra tamin’io, ka  ny rainy no nahita azy.  Teo amin’ny tafo ny varatra no nilatsaka ka nandoaka ny tafon-trano , niditra tao amin’ny rihana ambony  ary niantefa tao amin’ilay toerana misy ny omby, tao ambany rihana izay tsy mifanalavitra amin’izy roa lahy kely ireto teo. Torana avokoa ny omby roa tamin’io fotoana io, fa ny iray  tsy tafatsangana  intsony ka maty. Nifamonjen’ny fokonolona sy ny fianakaviana ilay tovolahy kely nilatsaham-potaka,  ka nentina haingana tao amin’ny hopitaly Antsirabe. Avotra soamantsara ny ain’i Jean Claud ary tsy misy atahorana intsony  hoy ny dokotera Ramananjanahary Soloniriana tompon’andraikitra ao amin’ny vonjy aina,raha tafaresaka taminay. Nanamafy koa moa ilay tovolahy kely, fa  tsy misy maninona  intsony amin’ny vatany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser