- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Trano valo kilan'ny afo, voasambotra ny nahavanon-doza 

Antsirabe : Trano valo kilan’ny afo, voasambotra ny nahavanon-doza 

Lehilahy tsy dia tsara fiaraha monina teo an-tanana no nahavanin-doza ka nitarika nahamaizana trano miisa valo be izao tao amin’ny fokontany Antanambao Antsinanan’Ivohitra Antsirabe Antapotanana. Efa hatramin’ny Alahady no nikasa handoro ny trano fonenany ity raim-pianakaviana ity fa saingy voasakan’ny manodidina ihany tamin’io andro io. 

Ny andron’ny Alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva no tena notanterahiny ny fikasan- dratsiny ka nandorany ny trano fonenany tamina solika fiara.

Toa efa maty paika ity fandorana trano niniana natao ity satria efa tapitra navoakan’ilay lehilahy mialoha ny entany, ankoatra ny fiompiany toy ny  ondry sy akoho amam-borona. Marihina fa tsy hitan’ny manodidina ny namoahany mialoha ireo entany ireo araky ny filazan’ny olona manodidina azy. Nirahiny nividy lasopy ny vady aman-janany ny harivan’ny Alatsinainy io, akory ny hatarain’ireo farany niverina fa afo efa mijoalajoala no tao antrano. 

Taitra ny mpiara monina ary niezaka namono ny afo saingy nosakanan’ilay nahavanon-doza, novelesiny tamin’ny « marteau » izay miezaka namono ny afo ka naharatrana rangahy iray. Vetivety dia niitatra ny afo noho ny fitsoka ny rivotra ary nahazo milolo teo anilan’ny tranony,  Tsy voasakana intsony ka nahamay ny trano miisa valo niray vodirindrina taminy. May kilan’ny afo avokoa rehefa entana tao an-trano, tsy nisy noraisina intsony eny fa hatramin’ny akanjo fitafy aza hoy ny renim-pianakaviana iray nigogogogo nitomany. 

Ankoatra izay dia kisoa lehibe miisa valo ihany koa no maty kilana’ny afo, ny efatra no mbola azo norasana fa ny ambiny may kila tanteraka. Tonga mialoha teny an-toerana ny fiara be mpamono afo, naharitra ora iray sy sasany vao voafehy tanteraka ny afo. Nosamborin’ny polisy kosa ilay raim-pianakaviana nandoro trano, mbola eo ampanoavana fanadihadiana izy ireo araky ny vaovao nampitaina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici