- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tranona manamboninahitra nisy namaky, 3 lahy voasambotra

Antsirabe : Tranona manamboninahitra nisy namaky, 3 lahy voasambotra

Nitrangana vaky trano indray teto Antsirabe, tsy tranon’olontsotra akory ity nisy namaky ity  fa tranona manamboninahitra mihitsy. Tsy mifidy asiana ireo jiolahy fa hatrany amin’ny toby miaramilay avy ity no sahin-dry zalahy idirana. Tamin’ny 10 Febroary lasa teo no nitrangan’izany tao amin’ny Akademia miaramila. Telo lahy no nanatanteraka ny vaky trano ka zazalahy kely vao 13 taona monja ny iray. Araky ny fanampim-panazavana nomen’ny teo anivon’ny zandary moa dia ny tolokandro no nanaovan’ireto tonta kely ny asa ratsiny, teo amin’ny varavaran-kely ry zalahy no niditra. Very tamin’izany ny solo-saina ho enti-tanana niampy fakan-tsary lafo vidy miisa roa ankoatry ny entana madinidinika azo raofina. Efa nisy ihany ny olona nahiana namaky ity trano ity ka narahi-maso akaiky. Tsy ela akory taorian’ny fanadihadiana natao dia sarona izy telo lahy ireto. Mbola tratra tany amin’izy rahateo ireo entana very nitadiavany mpividy. Tranona rangahy lehibe iray moa no nasian’ireo entana ireo mazava ho azy fa voaraoka miaraka amin’izy telo lahy koa ity farany.

Fantatra fa ilay zaza vao 13 taona monja nefa efa gaigy lahy amin’ny famakian-trano ity dia vao haingana no nahavita ny saziny teny amin’ny fitazaina ny ankizy tsy ampy taona, dia izao manao ny ataony izao indray.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser