Tonga nitsidika ireo traboina sy niharam-pahavoazana mafy tamin’ny haintrano niseho tao Andrefatsena ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe, notarihan’ny ben’ny tanàna Paul Razanakolona. Tsiahivina moa fa tsena ity may kilan’ny afo ity, tsena lehibe iray mihitsy antsoina hoe tsenan’ny tantsaha. Mpamongady sy mpaninjara maro no monina sy miasa ao ary entana an-taoniny maro no ao amin’io tsena io. Tapitra may kilan’ny afo avokoa moa ny entana tao, izay mitotaly an-tapitrisany maro. Nahatratra 41 ny trano may ny alin’ny arobia io, vetivety dia nitatra ny afo, ny fiara mpamonjy voina rahateo tsy tonga raha tsy ora iray sy sasany taty aoriana. Marihana moa fa saika niharan’ny fahatezaram-bahoaka mihitsy io fiara mpamonjy voina io.
Tsy nitazam-potsiny ny fahavoazana ny kaominina fa ny andron’ny alakamisy teo dia tonga nanolotra vary milanja 2 taonina ho an’ireo niharam-boina. Nilaza koa ny ben’ny tanàna fa hanarina haingana ny fotodrafitrasa simba sy hanorina tsena vaovao atao manara-penitra mihitsy fa tsy mitovy tamin’ny teo aloha izay levon’ny afo. Araka ny fanazavany moa dia hatomboka sahady amin’ny herinandro ny fanombohana ny asa. Notsipihany fa natokana hivarotana ny tsena hamboarina fa tsy atao hipetrahana akory, ary hatao biriky avokoa ny fotodrafitrasa hatsangana fa tsy hatao hazo akory. Marihina mantsy fa saika trano hazo avokoa no teo, izay kilan’ny afo tanteraka.
Nangataka tamin’ny ben’ny tanàna ireo tena mpivarotra ny mba hanalana ireo fianakaviana sasantsasany tsy mivarotra fa manao ireo tsena ho trano fonenana, ary nambarany mihitsy fa mampiantrano jiolahy ireo fianakaviana ireo.
Andry N.