- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe. Tsenan’Asabotsy : Mirongatra ny mpangarom-paosy

Antsirabe. Tsenan’Asabotsy : Mirongatra ny mpangarom-paosy

Anisan’ny tsena iray lehibe indrindra eto Afirka ny tsenan’Asabotsy, mitana toerana lehibe indrindra ity tsena ity amin’ny fidiram-bolan’ny kaominina Antsirabe. Mahazo vahana ireo totakely sy mpangarom-paosy, raha ny fanazavana voaray. Misy mihitsy aza moa ireo mamaky tsena amin’ny alina, nefa dia misy mpiambina izao ao amin’io toerana io. Araka ny fanadihadiana natao dia  misy ireo mpamaky trano no miditra amin’ny lakan-drano fivoahan’ny rano maloto, ka tafiditra ao amin’ny tsena. Raofiny izay azo raofina ka efa maro no niharan’ity fanafihana ity. Efa maro ihany ireo voasambotra sy niditra am-ponja saingy tsy mitsaha-mitombo indray izany amin’izao. Fantatra ihany koa fa maro amin’ireo mpitondra entana « porteur » sy dokera no manao ity asa ratsy ity ao an-tsenan’Asabotsy ao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser