- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers Antsirabe : Tsy navelan’ny faritra handraisana lalao federaly  ny kianja manara penitra noho...

 Antsirabe : Tsy navelan’ny faritra handraisana lalao federaly  ny kianja manara penitra noho ny baolim-pokotany

Fahafaham-baraka ho an’ny tanan’Antsirabe izay mampihatrano ny lalao hiadiana izay ho tompon-dakan’ny Madagasikara eo amin’ny baolina kitra vehivavy ny tsy namelan’ny faritra ny kianja manara penitra Velodrome handraisana ity lalao ity. Sahirana ny teo anivon’ny  Federasion’ny baolina kitra Malagasy nitady vahaolana. Soa fa nisy ny kianjan’ny Acmil izay nandray ny lalao tamin’ny ora farany .Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny mpikarakara dia efa ny faha 5 desambra lasa teo no efa nandefa taratasy fangatahana alalana hampiasa ity kianja manara penitra ity ny mpikarakara saingy ny Sabotsy teo dia nilaza i Rasta avy amin’ny  kabinetran’ny faritra izay tsy zoviana amin’ny maro nitonona ho tompon’andraikitra sy manampahefana feno mitantana ny kianja Velodrome fa tsy azo ampiasana ny kianja fa hisy lalaom-pokotany hatao ny alahadin’io. Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’i Rasta nanambany ny lalao federaly goavana tahaka izao fanatakalo ny baolim-pokotany. Efa nisy ny resaka nifanaovan’ny governor sy ny filohan’nybaolinakitra vehivavy eo anivon’ny FMF ary nahazo alalana hampiasa ny kianja Velodrome ny Alahady fa  i Rasta kosa no nitsivalana ka nandrara tsy namela hampiasana ny kianja manara penitra. Nitondra fanampim-panazavana Atoa Rado Rasoanaivo tale teknika eo anivon’ny FMF izay nanambara fa «  tsy mba isan’ny olona hanakorontana izahay, fa izay no lamina napetraka ka naleonay nitady vahaolana. »

Tsy vao sambany no nitranga olana tahaka izao ny kianja manara penitra Velodrome fa efa mateti-pitranga. Toa izay tian’ny mpikarakara homena ny kianja no homeny. Raha ny fantatra anefa dia misy ilay tokotelo no tokony hiara hitantana an’ity kianja Velodrome ity, dia ny eo anivon’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra, ny fileovam-paritry ny tanora sy fanatanjahan-tena  eto Vakinankaratra ary ny ligy. Tsy nisy tazana ireto farany fa dia olona iray no manao didy kofehy lehibe manapatra ny fahefana nampindramina azy.

Omaly Alatsinainy no fantatra fa nisy fihaonana amin’ny tompon’andraikitra feno handaminana ity resaka fitantanana ny kianja manara penitra Velodrome ity ka andrasana izay ho tohiny.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici