- Publicité -
samedi, novembre 15, 2025
- Publicité -
AccueilRégionsAntsirabe : Tsy nisokatra ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina

Antsirabe : Tsy nisokatra ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina

Mbola manankatom-baravarana  ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina rehetra eto Antsirabe sy ny manodidina. Ankoatra ny sekoly katolika dia maro ireo sekoly no nandefa filazana tamin’ny alalan’ny “sms” na namela hafatra tamin’ny tambanjotra serasera, na filazana tamina haino aman-jery fa tsy mbola mianatra ny mpianatra. Misy kosa anefa sekoly tena tsy handrenesana vaovao mihitsy isan’izany ny sekoly iray tsy miankina manana ny lazany tokoa,  eo akaikin’ny prefektiora  fa tena tsy handrenesam-baovao na mianatra ny mpianaratra na tsia. Sairana ireo ray aman-dreny , misalasala handefa ny zanany, ireo nandefa moa dia eo ambavahady vao  milaza  ny mpiambina fa tsy misokatra ny sekoly.

Nisokatra avokoa ny sekolim-panjakana teto Antsirabe sy ny manodidina, nanambara ny fitalevam-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Vakinankaratra fa manaraka ny toromarika avy amin’ny fanjakana ny faripiadidian’ny fampianarana eto Vakinankaratra.

Fantatra kosa fa ny Alarobia izao no hiverina hisokatra ireo sekoly tsy miankina eto Antsirabe raha toa tsy misy ny korontana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici