- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vato « malachite » 20 taonina nogiazana

Antsirabe : Vato « malachite » 20 taonina nogiazana

Samihafa ny laharan’ny lohan’ilay kamiao sy ny « remorque » nentiny. Teo no nanaitra ny mpitandro ny  filaminana ka nanakana azy. Rehefa nojerena ny tao anatiny, dia vato antsoina hoe “malachite” 20 taonina no hita tao. Ny talata lasa teo no nahatratrana izany tao Antsirabe II. Nampandrenesina avy hatrany ny “police des mines” izay nanome baiko ny hanagiazana ireo vato. Torak’izany ihany koa, notazonin’ny mpitandro ny filaminana ilay fiarabe nitondra azy. Raha araka ny tatitra ôfisialy dia, tsy nisy na taratasy manazava ny niavian’ireo vato na koa ny fahazoan-dàlana hitatitra azy ireo. Izy ireny anefa dia voasokajy ho vato “semi-précieux”.  Ankoatra ny  mety anaovana firavaka azy, dia maro koa ny firenena mampiasa azy  ho amin’ny fitsaboana vatana, manala fanaintainana mantsy io karazam-bato io. Lasa mivezivezy malalaka ve izany ny harena ambanin’ny tany, indrindra ny avy ao Vakinankaratra ao? Raha tsiahivina koa mantsy, dia mbola tao Antsirabe II no nisian’ny rahalahin’ny lehiben’ny  andrimpanjakana iray; izay nitatitra vato sarobidy tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana. Rehefa nosakanan’ny vahoaka tao amin’ilay toerana, dia nivoaka ireo mpitandro ny filaminana nentiny ka nanapoaka basy. Tsy mba nisy akory ny fanadihadiana nisokatra taorian’izany. Fantatry ny maro ny antony. Baranahiny tanteraka…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser