- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vazaha nanakorontana sy nandratra olona, niakatra fitsarana

Antsirabe : Vazaha nanakorontana sy nandratra olona, niakatra fitsarana

Ny alakamisy 12 desambra lasa teo no niakatra Fitsarana ilay teratany vahiny, Belza, nanakorontana sy nandratra ny tompon’andrakitra iray tamin’ny toeram-pisakafoanana iray fantan-daza eto Antsirabe. Voasazy handoa onitra ity vazaha ity, izay no didy nivoaka taorian’ny fitsarana azy. Raha tsiahivina dia nisakafo tao amin’ny toerana fisakafoanana sady fialam-boly ity teratany belza ity. Tsy hay anefa izay nahazo azy, angamba niakatra ny alikaola. Voalaza mantsy fa efa dozy ranamana. Nitabataba sy niteny ratsy ilay vazaha ka nanelingelina ny rehetra niara-nisakafo taminy. Nanatona azy ny ramatoa iray niangavy taminy mba hangina, kanefa vao mainka teny ratsy sy fanevatevana  no nasetriny azy. Tezitra avokoa moa ireo vahiny nisakafo tao amin’ilay toerana raha naheno ny teny navoakan’ity Belza ity ka raikitra ny fifamaliana. Niezaka nandamina azy ny tompon-trano, vao mainka nampiakatra ny feo sy teny ratsy amin’ny teny vahiny navoakany izany, hatramin’ny fanevatevana sy fanambanina ny Malagasy mihitsy. Voatery niantso ny mpitandro filaminana ny tompon’andraikitra, mandra-pahatogan’ny mpitandro filaminana anefa,
nanaiky nivoaka ihany ranamana saingy efa namaky vera, ka ilay vakim-bera teny an-tanany no nentiny namelezana ny tavan’ilay tompon’andraikitra. Nijininika ny ra ka voatery nozairina teny amin’ny hopotaly mihitsy ny ratra. Tsy nisy namaly tamin’ny
herisetra moa ireo nanatri-maso ny zava nitranga noho ity vahiny ity tapa-tongotra mitondra tehina roa. Niditra am-ponja avy hatrany ranamana  niandry ny fotoana hitsarana azy.
Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser