Avy hatrany dia nitsoaka ity teratany vahiny iray rehefa avy nandoana « cyclo-pousse » teo Antsenakely anoloan’ny banky omaly alahady.
Tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahefany teo no nitrangan’ny loza, efa tafiditra tamina sampan’andalana iray ilay mpitondra « cyclo » nitondra olona, no avy dia nofahon’ilay fiara Renault Express fourgonnette nentina vahiny iray. Tsy nahoany akory ny loza nataony fa iny izy no avy hatrany dia namelona ny fiarany ary rifatra nandositra. Tsy nisy na dia fahalalam-pomba kely aza nijery ireo olona voadona sy ny fahavoazana nahazo ilay posy sy ny mpitondra azy. Nisy fahasimbana ilay “cyclo pousse” ary naratra kosa ilay ramatoa nentiny, tsy fantatra mazava aloha hatreto ny ratra nahazo ilay ramatoa voadona, satria nambaran’ilay mpitondra posy fa maika hamonjy fotoana izy ka avy hatrany dia nandeha vantany vao tafarina avy tao amin’ny posy nitondra azy. Raha ny vaovao voaray dia efa nisy ny mpitandro filaminana nanaraka ilay fiara nitsoaka.
Andry N.