Nifarana tamin’ny alahady teo ny koud’poussy 2014, lalao ara-panatanjahantena nokarakarain’ny Naoxime Sport. Nisy tamin’ireo vahiny mpizahatany mandalo eto Antsirabe no nandray anjara tamin’izany. Tsy isan’ireo mpandray anjara ara-dalana ireto vahiny ireto fa mba « nanala azy » fotsiny ihany hoy ny fitenenana. Miandahy miamavy izy ireo, fihodinana in-dray mandeha no natao, samy nahavita ny fihodinana avokoa izy ireo. Tovolahy iray teratany frantsay kosa no tsikaritra toa hafahafa teo am-pahatongavana fa nalemilemy ka nifamonjen’ny “croix rouge” nezahina narenina sy nomena ny vonjy voina. Minitra vitsy monja taorian’ny nahatongavany anefa tsy tafarina intsony ny lehilahy ary torana tsy nahatsiarotena. Naharitra ela ny ny tsy fahatsiarovany tena ka voatery nentina hainga tamin’ny « ambulance » tany amin’ny hopitaly ranamana. Tany amin’ny hopitaly no nahafantarana fa manana aretina mitaiza « asthme » ity vahiny ity. Velona soamantsara ny ainy ora vitsy taty aoriana ary efa hita niaraka tamin’ireo namany indray.
Andry N.