- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vazaha very vola 6000 euros tao amina hotely

Antsirabe : Vazaha very vola 6000 euros tao amina hotely

Tsy vao sambany akory no nisy tranga toy izao teto Antsirabe fa efa mateti-piseho ihany ity halatra amina Hotely ity. Vahiny mpizaha tany, teratany frantsay iray indray no lasibatra tamin’izany tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Hotely fandraisam-bahiny isan’ny lehibe eto Antsirabe. Vola 6000 euros no voalaza fa nisy nangalatra tao anaty entany tao amin’io hotely nipetrahany io. Sendra nivoaka hijery ny tanàna ity mpizaha tany ity, nohidiany tsara ny valizy nisy ny volany. Araka ny fanazavana azo moa dia mihidy “cadenas” mihitsy io nisy ny etany io. Ankoatra izay, nohidiany tsara koa ny efitrano nisy azy, nony niverina tao amin’ny efitranony anefa izy, akory ny hagagany raha nahita ny entany efa misokatra kely, ilay “fermeture”. Ny “cadenas” anefa amin’io mihidy tsara ihany, izany hoe toy ireny notriarina ireny ilay “fermeture”. Mahana avy hatrany ilay vahiny ka nisava ny entany sao misy banga, inona tokoa fa tsy tao intsony ny volany. Niezaka nanatona ny tompon’ny hotely ilay vahiny saingy tsy nahazo valiny mahafa-po azy ka nanatona ny polisy avy hatrany nametraka fitoriana. Fantatra fa vehivavy iray miasa ao amin’io hotely io no voatazona sy nanaovana fanadihadiana, hatramin’izao aloha tsy mbola fantatra  ny tena marina, mbola anatin’ny asany rahateo  ny polisy, andrasana noho izany ny fizotran’ny raharaha.

Matetika no ahenoana ity tranga ity amin’ireo hotely sasantsasany eto Antsirabe, tsy hotely tsora ihany fa na ireny hotely goavana ireny aza. Mila jerena akaiky ihany ity toe-javatra ity satria mety hanimba ny tontolon’ny fizahan-tany, na izany aza anefa misy koa ireo vahiny no very entany tany ivelany fa dia ny hotely hatrany no lasibatra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici