- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vazaha voatonona ho mpangala-jaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe : Vazaha voatonona ho mpangala-jaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Soa aloha fa tonga aloha ny mpitandro filaminana nandamina sy naka ilay teratany vahiny, fa raha tsy izay,asa izay nitranga. Teratany vahiny iray efa somary nahazo taona no voalaza fa saika hangala-jaza  teo amin’ny manodidina ny tsangambato . Mpianatra tao amin’ny EPP Garby no  saika halainy an-keriny raha ny fanazavana. Omaly Talata 6 Martsa  tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no nisehoan’ity tranga ity. Nihazakazaka namonjy ilay zaza ny mpampianatra iray ao amin’ny EPP raha vao nahita ilay zaza nikiakiaka sy nitomany teo akaikin’ilay vazaha be mandeha an-tongotra miadana manaraka ny moron’ny arabe manakaiky ny sekoly. Nambaran’ilay zaza hoy ilay mpampianatra, fa nangaronin’ilay vazaha ny silipon’ilay zaza ka izay no nampihoraka azy. Taitra ny manodidina raha naheno ny horakoraka sy nahita ny olona nikoropaka liana te hahafantatra ny zava-nitranga. Vetivety dia niely ny feo ka tonga maro be ny olona , nitangorona teo amin’ilay fiaran’ilay vazaha. Saika raikitra ny sakoroka, satria nikasa handeha ilay vazaha saingy tsy navelan’ny vahoaka, vao mainka nampiakatra ny hafanam-pon’ ilay mpampianatra ny nahenoany fa milaza handoa vola ilay vazaha handaminana ny raharaha, saingy tsy nanaiky ilay mpampianatra. Andian’olona maromaro no tonga teo amin’ny biraon’ny polisy nanaraka ny fizotran’ny raharaha ary nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany. Efa leom-boananana  rahateo ny vahoaka amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ka raha vao misy trangan-javatra hafahafa, dia efa samy ratsy saina avokoa. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharahara amin’izao fotoana, ny fanadihadiana no hamantarana izay tena nitranga marina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici