Nitrangana vono olona indray teto Antsirabe, vehivavy mitondra vohoka no maty nisy namono tao an-tranony ny alakamisy maraina teo.
Vatana efa tsy nisy aina intsony no tonga tao amin’ny hopitaly ny alakamisy tolakatro raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Ramatoa vao 22 taona monja, monina ao Ambohipeno, bevoka telo volana ity maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity. Teo am-pandriana no nahitana ny razana , feno rà efa nivaingana ny toerana nisy azy ary feno dian-tanana mihosin-drà ny rindrina. Raha ny fanazavana taoarian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny BMH dia tsindrona vy maranitra nanandrify ny fony no nahafaty azy. Tsy fantatra hatreto ny nahavanon-doza saingy efa misy kosa ny olona ahiahian’ny mpitandro filaminana nahavanona izao loza izao. Manambady ilay ramatoa ary manan-janaka kely vao telo taona monja. Ity farany izay niaraka taminy saingy tsy nokitihin’ireo olon-dratsy, fivontosana kely teo amin’ny lohany no hita taminy. Tsy nisy nipika ny entana rehetra tao an-trano fa dia ny hamono ity renim-pianakaviana ity mihitsy no nataon’ireo olon-dratsy.
Ny angom-baovao no nahalalana fa mpivarotra finday ao an-tsenan’i Sabotsy ilay ramatoa. Olona tsotra izy, tsy tia miady aman’olona.
Andry N.