Hatramin’ny nisian’ny ora-mikija tsy an-kijanona teto Antsirabe, efa ho herinandro mahery izao, dia tsy vitsy ireo tany sy fefy nihotsaka, eny fa hatramin’ny trano. Vehivavy iray no namoy ny ainy vokatr’io firodanan’ny trano io tao Atsimotsena, ny faran’ny herinandrao lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina no niseho ny loza, efa nikasa hiala tao amin’ity trano fonenany ity ihany ireo fianakaviana ny marainan’io, saingy taraiky tao ka izao tra-doza izao. Mbola nisy aina ity renim-pianakaviana ity no tafavoakan’ny olona tao anaty biriky, saingy noho ny dona mafy nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy teny amin’ny hopitaly. Fantatra fa olona 7 mianaka ry zareo no mipetra ao amin’ity trano efa tranainy ity, avotra soa aman-tsara daholo ny 6 ary zaza vao 5 volana monja ny iray. Olona roa hafa mpanofa trano miaraka amin’ity vehivavy ity ihany koa no naratra mafy, ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly hatramin’izao.
Ankoatra izay, fianakaviana iray koa no tra-boina noho ny firodan’ny tranony teny amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, ny alarobia talohan’io tranga io. Marihina moa fa dia tsy an-kijanona ihany koa ny ora-mikija eto Antsirabe, ary efa saika manomboka dibo-rano avokoa ireo faritra iva, toy ny ao Sahatsiho. Ny kaominina Antanimandry aza difotry rano eo amin’ny 80 isanjato ny tanimbary.
Andry N.