- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy iray maty nitsahin’ny kamiao

Antsirabe : Vehivavy iray maty nitsahin’ny kamiao

Vehivavy iray  mpiasan’ny orinasa afaka haba eto Antsirabe no maty voahosin’ny kamiao ny Alakamisy 17 Aprily lasa teo tao Aambohimena. Tokony ho tamin’ny 6ora hariva no nisehoan’ny loza teo akaikin-dRatsarafanahy, nisahotaka ny mponina, efa ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny paska rahateo ny vahoakan’Antsirabe ka maro mpivezivezy ny lalana, mitohana tanteraka ny fifamoivoizana na dia tsy ahitana izany loatra aza Antsirabe. Nikasa hisongona fiara lehibe iray nitondra simenitra ity vehivavy nirava avy niasa ity izay nitondra bisikileta. Nifanehitra tampoka tamina bisikileta hafa anefa izy ka nifampikasoka tamin’ilay kodiaran’ilay kamiao. Nianjera avy eo ka lasa kalin-kodiarana ny vatany iray manontolo. Nandriaka ny rà, maty tsy tra-drano ilay vehivavy. Nomarihan’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana fa tsy nandrenesana fofon’alikaola ny mpamily ilay fiara. Matetika  mantsy ny fahamamoan’ny mpamily no miteraka loza tahak’izao ka fitsipika tsy maintsy arahina ny fisavana azy ireny, indrindra amina loza amoizana ain’olona tahak’izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser