- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy marary saina, maty teo am-piterahana

Antsirabe : Vehivavy marary saina, maty teo am-piterahana

Tranga iray mampalahelo tokoa izay niseho tany Andrenivohitr’i Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo : vehivavy iray voalaza fa tsy salama saina no maty teo am-piterahana ny zanany ny sabotsy hariva 27 aogositra lasa teo. Manodidina ny 30 taona eo ity vehivavy marary saina nindaosin’ny fahafatesana ity. Raha ny fantatra dia tsy nisy nanampo loatra ny zavatra hitranga ny olona rehetra nahita izany. Eo rahateo koa ny maha adala azy ka nanampy trotraka ny fiatahan’ny olona taminy. Tsy nahataitra ny olona noho izany ny nahita azy nidina tao anaty tatatra maina tsy misy rano iray teo an-tsisindàlana, atsimon’ny lysea Andre Resampa Antsirabe nefa raha ny tena marina dia nihetsi-jaza ity vehivavy ity ka nitady ny toerana hiterahany ny zanany. Akory anefa ny hatairan’ireo olona nanakaiky teo raha nahita tongo-jazakely nivoaka avy tao ambaniny, saingy saro-piterahana ihany ny fijery ilay vehivavy ka rehefa tafavoaka hatreo amin’ny fen’ilay zaza dia nanano sarotra azy izany. Izy rahateo niady irery tsy nisy mba namonjy hany ka tsy tafavoakany intsony ilay zaza fa nijanona teo anelanelan’ny feny ary nitarika ho amin’ny fahafatesan’izy mianaka nony farany. Tonga teny an-toerana naka ny razana ny polisim-pirenena ao Antsirabe niaraka tamin’ny BMH. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa any Ibity, distrikan’Antsirabe II, no fiavian’io vehivavy marary saina maty teo am-piterahana io. Fantatra ihany koa fa halevina eny amin’ny fasam-bahinin’ny Kaominina ny razana. Ireo olona teo amin’ny manodidina ny toerana niterahany dia nanatanteraka rakitra mba ahafahana mividy lamba hamonosana azy farany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici