Vehivavy iray manodidina ny 24 taona eo ho eo no hita faty tao anaty lakandrano, omaly maraina be tokony ho tamin’ny 5 ora sasany maraina.
Tao Ambohimiandrisoa, fokontany Avaratsena, no nisehoan’ny tranga. Ontsa avokoa izay nahita ity vata-mangatsiakan’ity vehivavy ity nivalampatra tao anaty lakan-drano. Somary nisabaka izy ary notsentseman’ireo nahavanon-doza tamin’ny hazo ny fivaviany. Ankoatra izay, nahitana ratra ihany koa ny tarehiny, ny lohany ary ny hatony. Araka ny fitantaran’ny manodidina hatrany dia tamin’ny 11 ora alina no nisy nahita nivezivezy teo Ambohimiandrisoa ity vehivavy ity. Niditra tao amina bara iray izy, niara-nivoaka tamin’ny lehilahy avy eo, ka niditra tao amin’ny elakelan-trano iray. Tsy fantatra loatra ny tena antony nidirany tao amin’io elakelan-trano io, fa ny fantatra dia noroahin’ny tompon-trano tao izy ireo. Ny maraina anefa dia faty mitsidrahaka sisa nahitana azy. Araka ny fantatra moa dia mipetraka tsy lavitra loatra ny nahitana ny fatiny io vehivavy io. Tombanan’ny olona ho naolana izy ity, ary avy eo novonoina ka nasitrika tao anaty lakan-drano. Tsy tsikaritr’ireo nahavanon-doza anefa fa nisy « camera de surveillance » teo amin’ny toeram-pivarotam-panafody iray nanatanterahan’izy ireo ity famonoana ity. Vokany : olona roa no efa nosamborina, ahiahiana ho nahavanon-doza. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny polisy amin’izao fotoana.
Tonga teny an-toerana ny polisy sy ny BMH nanao ny fizahana ary nitondra ny razana teny amin’ny tranom-paty.
Andry N