- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy saika hatao mariazy androany maty voadonan’ny fiara omaly

Antsirabe : Vehivavy saika hatao mariazy androany maty voadonan’ny fiara omaly

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena fahafito, omaly zoma tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Vehivavy iray nikasa hanao mariary anio sabotsy no fantatra fa namoy ny ainy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa teny amin’ny tanàna antsoina hoe Antsampanimahazo, kaominina Antsoatany, any Antsirabe II, no nisy ny loza. Niampita arabe ity olona ity, izay voa 24 taona. Tsy hay izay tena zavatra niseho marina fa tamin’izany no nandonan’ny fiara taxi-brousse azy. Avy aty Antananarivo ho any Antsirabe ity fiara mpitatitra ity. Nipitika ilay olona ary nitontona tamin’ny tany. Voalaza fa mafimafy ihany izany zavatra izany. Rehefa nahita izany ny rehetra dia samy niezaka hamonjy ilay vehivavy. Nobataina ary nentina teny amin’ny hopitaly teny an-toerana. Rehefa tany amin’ny trano fitsaboana anefa dia nilaza ny dokotera fa efa tsy namana intsony izy. Ny loharanom-baovao hatrany no ilazana fa vita fisehoana omaly ity tovovavy ity ary saika hatao mariazy androany sabotsy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser