Vehivavy lehibe iray, mananiky ny 70 taona, manana toe-batana varira no hita faty tsy nisy loha intsony, tao amin’ny fokontany Vohikely, kaominina Sohandrariny, distrakan’Antsirabe faharoa. Nandray fepetra avy hatrany tamin’ny fanokafana ny famotorana ireo zandary tany an-toerana ary fantatra fa efa misy olona iray voasambotra, raha ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra.
Raha hiverenena ny zava-nisy : ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo no nisy nanafika tao an-tranony ity ramatoa lehibe ity. Amam-polony tany ho any ireo olon-dratsy, izay nirongo fitaovam-piadiana no nanao amboletra niditra tao amin’izy ireo, raha ny vaovao azo. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia nandrahoatra ireo tao an-trano ireo olon-dratsy ary nitondra an-keriny ilay vehivavy varira. Notaperin’izy ireo tany ny ain’izany ramatoabe izany, ary nokapainy ny tendany. Tany amin’ny 10 kilaometatra mialoha ny hidirana ny tanana, tao amin’ny kaominina Ambohimandroso no nahita ny vatana mangatsiakany izay narian’ireo olon-dratsy. Efa tsy nisy loha intsony. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ireo zandary tany an-toerana, niaraka tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Ary io tsy niandry ela io, fa andro taorian’ny tranga dia efa nisy olona, izay ahiana mafy ho nandray anjara tamin’izany vono olona izany, voasambotry ny zandary. « Hatreto, hoy ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Antsirabe, dia tsy fantatra izay tena anton’ny famonoana, mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka izahay». Marihana fa mbola mitohy ny hazalambo, hikarohana ireo naman’ity efa voasambotra ity.
m.L