- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vita paka, feno loto ny tanana

Antsirabe : Vita paka, feno loto ny tanana

Rakotra loto ny tananan’Antsirabe taorian’ny fetin’ny paska, an-jato taonina no fako nesorina hatramin’ny talata fotoana nanombohana ny fanadiovana ny tanana. Nanao fanadiovana faobe ny hery velona teto Antsirabe manoloana izany ka ny ben’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy mihitsy no nandray kifafa nitarika ny fanadiovana. Tsy niasa irery ny kaominina fa nitondra ny anjara birikiny ihany koa ireo orinasa goavana nandray anjara tamin’ny fampirevena ny vahoaka, toy ny Comadis nitondra fitaovana raitra amin’ny resaka fanadiovana, ny antokom-pinoana maro samihafa sy ireo fiangonana zandriny izay nahatonga solontena maro niara-nanadio ny tanana. Noho ny habetsahan’ny fako  dia voatery nampiana ireo fiara mpitatitra fako raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fanadiovana ao amin’ny kaominina. Isan’andro matsy amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao dia mahatratra 160 taonina isan’andro ny fakon’Antsirabe, nandritra iny fety iny fotsiny  anefa dia 200 taona teo no fako nesorina.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici