- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Voaendaka ny mpanao selfie

Antsirabe : Voaendaka ny mpanao selfie

Vao tsy ela akory ary vao latsaky ny iray volana aza no notokanana ity tsangambato vaovao akaikin’ny Kisomby ity. Tsara dia tsara ny fotodrafitrasa ary manintona olona maro, na izany ny mpizaha tany na ny olona ao an-toerana. Ny tanora dia betsaka no mandalo eny an-toerana ary manamarika izany amin’ny alàlan’ny fakàna sary ny tenany na « selfie ». Teo koa nampitsiry ny hevi-dratsin’ny mpanendaka. Misy efa miandry fotsiny miaraka amin’ny antsibe ary maka ny findain’ny olona izay maka sary. Tsy misy afa-tsy ny finday ihany no alain’izy ireo ary efa mihaonohaino eo amin’ny manodidina, miandry izay mpandalo. Betsaka ny fitarainana mahakasika izany izay tonga teny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitry ny tanàna. Tapaka ary fa hasiana polisy miambina andro aman’alina eo an-toerana manomboka izao mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Indraindray dia mampanontany tena hoe tsy mba mahay manana zavatra tsara ve izany isika? Raha tsy feno maloto ny fotodrafitrasa izay mba mampiavaka ny tanàna dia lasa fieren’ny mpanendaka. Io dia na aiza na aiza eto Madagasikara ka raha mbola misy tsangam-bato koa. Mendrika ny hosaziana mafy satria sady manimba ny fananana iombonana no koa manao asaratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici