- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Voafonja 5 lahy naka fanadinana CEPE, 55 taona ny...

Antsirabe : Voafonja 5 lahy naka fanadinana CEPE, 55 taona ny iray

Tsy nandia fianarana izy ireo tany aloha, tany am-pigadrana vao nisy nampianatra

Hatsiaka sy ora-mikija  no niatrehan’ireo kilongakely naka ny fanadinam-panjakana voalohany, ny C.e.p.e  ho an’ny  teto Antsirabe manokana. Tamin’ny valo ora maraina dia efa tonga teo amin’ny ivon-toeranam-panadinana avokoa ireo mpianatra notronin’ny ray aman-dreniny avy raha ny tao amin’ny CEG Soamalaza no resahana. Nahatratra 6362 no isan’ireo mpiadina ho an’Antsirabe, izay miparitaka amin’ny ivon-toerana dimy. Araka ny angom-baovao voarainay avy tamin’ny CISCO, nahatratra 153 ny mpiadina tsy tonga tamin’ny fanadinana. Tsy nisy taratasy na filazana mialoha ny  amin’ny tsy nahatongavan’izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Fa isan’ny nampiavaka ny fanadinana teto Antsirabe, ny fisian’ireo voafonja naka  CEPE. Misy 5 mirahalahy ry zalahy ary efa nahazo taona kosa ny iray sahabo ho 55 taona eo ho eo. Toy ny mpaka fanadianana rehetra ihany, mitovy ary iray ihany ny adina. Fantatra fa ny roa amin’izy dimy lahy no efa nandalo fitsarana, fa ny telo kosa mbola miandry ny fitsarana azy ireo; ka isan’izay ilay rangahy efa nahazoazo taona.  Avy any ambanivohitra no fiavian’izy ireto, ka tsy mba nahita fianarana raha tsy tao am-ponja. Ireo masera no nan-tànana ny fianarany ka ao am-ponja ihany no nanaovana izany. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa nilamina ny fanadinana CEPE teto Antsirabe, somary sahirana kosa ireo ray aman-dreny nitondra sakafo ho an’ny zanany tamin’ny fitadiavana toerana , noho ny fisian’ny orana. Fantatra fa anio 16 jolay 2014 ihany koa dia hanomboka ny fitsarana ny fanadinana ka hezahina ho amin’ny sabotsy tolakandro no havoaka ny valin’ny CEPE ho an’Antsirabe.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser