Rano maloto sy maimbo no miparitaka eran’ny lalana rehefa latsaka ny orana sy havandra tao Antsirabe omaly. Dobo rano ny tanàna indrindra amin’ireo faritra iva, toa an’Atsinanantsena, Tsena Sabotsy ary Vatofotsy sy ny manodidina. Miaina fahavaratra toy izany foana ny mponina amin’ireo faritra ireo saingy nihamafy kokoa izany tamin’ity taona ity. Ny fanamboaran-dalana mandritra ny fotoana maharitra no heverin’ireo olona sendra anay ho anton’izany. Roa volana teo izay, noravaina tanteraka ny lalana amin’ireo faritra ireo ary mbola betsaka no tsy vita. Ranom-potaka araka izany no miangona sy mikoriana. Ny lalana efa vita kosa tsy misy tatatra fandehanan’ny rano ka miparitaka eran’ny lalana ny rano. Sahiran-tsaina ny mponina hiatrika ny fahavaratra satria vao manomboka ny orana nefa efa mahakivy ny toe-java-misy. Eo ihany ko any tebiteby amin’ny vokatra satria avandra be no nitsenana ny fahavaratra 2019.
Voarisoa Davidson