- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Voasambotra i Fy, iray tamin’ireo nanafika banky

Antsirabe : Voasambotra i Fy, iray tamin’ireo nanafika banky

Voasambotry ny polisy ny iray tamin’ireo nandray anjara mivantana nanafika ny acces banque teto Antsirabe, fanafihana izay nahaverezana vola 148 tapitrisa ariary. Raha tsiahivina fohy ny 6 Martsa maraina tokony tamin’ny 8 ora maraina latsaka fahefany no niditra antsokosoko tao amin’ny banky ny bandy 4 dahy mirongo fiadiana, nitondra moto ry zalahy ary tsy nesoriny ny aro loha mba hanafenany ny endriny. Tsy niandry ela ny fanadihadiana fa andro vitsivitsy monja taty aoriana dia efa nisy olona roa no voarohirohy, mpiambina iray sy olona iray samy efa MD any am-ponja avokoa. Nitohy ny fanadihadiana ka tamin’ny alalan’ny findain’ny mpiasa iray izay nalain’ireo jiolahy ka nampiasany no nahatratrarana azy araky ny fanazavana. Natao ny fikarohana ka saron’ny polisy teny Anjomakely Ivato ny tovolahy erotrerony vao 26 taona monja antsoina hoe Fy. Tao anaty fiara Sprinter no nahatratrarana azy ary mamo ranamana. Mbola tratra niaraka taminy ny vola 21 tapitisa iraimbilanja, vola mbola mifatotra toy ireny any amin’ny banky ireny. Niaiky ny heloka vitany izy ary nanambarany fa enin-dahy ry zalahy no nizara ny vola ka 25 tapatrisa ariary no anjarany, ary nividianany fiara Sprinter. Nisy ny fameranana ny zava-nitranga na “reconstitution” ka toy izay no fizotran’ny fanafihana. Tonga teto Antsirabe izy efa dahy ny 5 Martsa, naka hotely iray ka ny ampitson’iny nanao ny fanafihana niaraka tamin’ny môtô. Narian’izy efa-dahy tao ambanin’ny CEG Soamalaza ny môtô satria efa nisy Starex niandry azy tao. Nisolo akanjo avy eo, niverina nandalo teo amin’ny fiangonana catedrale, nidina tany andranomaimbo ary tany no nizara ny vola. Eo ampikarohana ny namany ny mpitandro filaminana amin’izao. Fa endrasan’ny maro kosa ny vokan’ny fanadihadiana tamin’ny fanafihana ny ivonketra B teto Antsirabe izay namoizana ny ain’ny mpiambina tsy ela akory izay.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici