Vosambotry ny polisy teto Antsirabe Le solobe rehefa niriaria nandritra ny taona iray mahery. Nihevitra ity jiolahy rain-dahiny ity, fa tsy nikaroka azy intsony ny mpitandro filaminana, ka dia nihodinkodina teny ihany. Sendra ny tsy nampoizina anefa Le solobe, nanaovan’ny polisy bemidina ny trano voalaza, fa nisy azy tao amin’ny fokontany Atsongo ka tsy afa niala intsony. Raha ny fazavana avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia tokony mbola hamita sazy any am-ponja tokoa ity jiolahy ity, saingy tafavoaka ny fonja ny taona 2016 ka tsy tratra raha tsy izao. Voampanga tamina resaka fanafihana miharo vono olona no nidirany am-ponja ka sazy 20 taona an-tranomaizina no tokony hefainy nefa izy tafaporitsaka io. Loharanom-baovao, izay tazomina tsy ambara telo avy tamin’ny fiarahamonina no nahafantarana ny misy azy sy ny trano fonenany ka nanaovan’ny polisy bemidina ny herinandro lasa teo iny. Fantatra, fa tsy dia mipetraka loatra ao amin’io trano nisy azy io Le Solobe rehefa mazava ny andro, fa alina no tena ipetrahany ao alohan’ny hivoahany. Voalaza fa teo am-piomanana ny hivoaka mihitsy le solobe no voasambotra ary mbola tratra niaraka taminy ny sabatra lava lela iray. Nikasa ny handositra ihany Le Solobe, saingy efa voahgodidina polisy ny trano fonenany ka noraisim-potsiny. Niaiky ity jiolahy ity, fa nitsoaka ny fonja tokoa ny tenany tamin’ny 2016.
Andry N.