Voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo le Manga jiolahy rain-dahiny malaza amin’ny halatra sy vaky trano.
Anarana tsy zoviana amin’ny maro ao Ambohimena sy ny manodidina ny tanàna raha Le Manga, isaky ny misy vaky trano ao an-toerana dia tsy maintsy le Manga ihany no ambetin-dresaky ny olona. Nisehoana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimanga ny alin’ny zoma 9 may 2014 lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny fahitalavitra,ny kojakojan-dakozia sy ny entana maro isan-karazany. Nobatain-ndry zalahy ihany koa ny vary akotry 8 kitapo tao an-trano. Nametraka fitoriana tao amin’ny polisy teny Ambohimena ny tompon’ny trano vaky. Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny fanafihana dia nahitam-bokany ny fikarohana natao. Tovolahy roa no voarohirohy, vao mangiran-dratsy niloloha vary tamina kitapo izy roa lahy ireto hihazo an’Antsirabe. Nianjera anefa ny iray ka vaky ilay kitapo feno vary, ary raraka tamin’ny tany avokoa. Nisy mpandeha naka ampahany tamin’ilay vary ka nitondra izany tany amin’ilay trano vaky nanao fampitahana ilay vary. Hita fa tena mitovy tsy misy valaka tamin’ilay vary very ity vary ity, ka lasa nampandre tany amin’ny mpitandro filaminana ry zareo. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny polisy, nambaran’izy roa lahy nitondra ny vary fa i Le Manga no naniraka azy. Taorian’ny fanadihadiana dia niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka sarona le Manga. Nanaitra ny polisy ny zavanitranga fa misy milina fitotoam-bary roa mantsy ao Ambihimanga ka tsy voatery hiakatra eto Antsirabe no hitoto vary. Vao avy nivoaka ny fonja le Manga ny faran’ny taona 2013 lasa eto nefa dia izao namerina ny asa ratsiny izao indray.
Andry N.