Raha somary niato ny orana teto Antsirabe fotoana maromaro lasa izay dia niverina nivatravatra indray izany nanomboka ny zoma lasa teo. Tsy nitsahatra nilatsaka ny orana nanomboka io daty voalaza io, ary saika ho isan’andro. Vokany, trano iray no nihotsaka tao Ambohimiandrisoa, ny alahady alina lasa teo. Trano lehibe misy rihana izy ity, fianakaviana 5 mianaka no nipetraka tao amin’io trano io efa an-taoonany maro. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na fahapotehan-javatra be fa ny rindrina amin’ny trano no nihotsaka ary tsy azo ipetrahana intsony io trano fonenana io sao hampidi-doza. Raha ny fantatra dia ny tsy fisian’ny lakan-drano no tena antony nampihotsaka ny rindrina. Tsy misy lalana hivoahana mantsy ny rano rehefa milatsaka ny orana ka mihandrona ao an-tokotany, mahazo ny rindrina ka nitarika azy tamin’ny fihotsahana io. Raha ny fantatra hatrany dia efa niteraka olana teo amin’ny mpiray vodirindrina ity tsy fisian’ny lakandrano ity. Raha ny re mantsy dia misy ihany io lakan-drano io saingy efa tototra tanteraka ka tsy hita intsony. Nisy mpiray vodirindrina tsara sitrapo nikasa ny hanokatra ilay lakan-drano ny volana novambra lasa teo saingy ireto farany indray no nisy niantso polisy nilaza fa manentsina ny lakandrano sy manimpy rano maloto amin’ny tokotaniny. Vokatr’io tsy fifankahazoana io moa dia niato teo ny fikasana hanokatra ilay lakan-drano ka izao nifara tamina loza hafa izao.
Andry N.