- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vola sandoka marobe nividianana solika

Antsirabe : Vola sandoka marobe nividianana solika

Nitsoaka ilay fiara rehefa tsikaritry ny pompiste fa vola sandoka no nomena azy ireo ho vidin-tsolika. Efa vita “plein” ny fiara no nitranga ny olana. Mba vitan’ilay “pompiste” ihany ny nisambotra ny iray tamin’ireo, ilay nanome ny vola sandoka. Nanomboka teo ny fanadihadiana ary tonga hatramin’ny fanjonoana ilay tambajotra. Tonga hatrany Betafo ny fisamborana ary teo ihany koa no nahafantarana fa tao amin’io tanàna io ny atidoha nikotrika ity asaratsy ity. Vola mitentina 1.180.000 ariary no sarona ary mbola nisy hafa hita ihany koa tao amin’ilay trano tany Betafo, mitentina 880.000 ariary. Nomarihan’ny zandary fa tena natahorana ity tambajotra ity raha tsy sarona teo. Vitan’izy ireo faran’izay tsara mantsy ireo taratasim-bola indrindra ilay lohan’omby izay noheverina fa tsy ho vita mihitsy. Teo amin’ny laharana izay saika nitovy avokoa no tena nahatratraran’ny pompiste azy. Soa izany fa mba liana kely tamin’izay ireto farany raha tsy izay dia voafitaka tanteraka. Hatolotra ny fampanoavana tsy hoe ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser