- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vola sandoka sy sokatra sarona

Antsirabe : Vola sandoka sy sokatra sarona

Miparitaka ny vola sandoka mivezivezy eto Antsirabe amin’izao, sarona ny tompon’antoka tamin’izy ity niampy ny namany iray izay nahatrarana sokatra maro be , rehefa nosavaina ny trano fonenany.Lehilahy iray  tompon’ny ketrika no efa voasambotry ny mpitandro filaminana teto Antsirabe, ny Talata lasa teo vokatry ny fanaparitahana vola sandoka. Mampiasa vola amin’ireny orinasan-tserasera   mikirakira vola amin’ny alàlan’ny fandefasana vola amin’ny finday ity lehilahy ity, vola sandoka anefa no ampiasainy ka mifindra toerana hafa izy, avy eo maka ny vola madio. Toy izay hatrany ny fomba fiasany, tsy nionona tamin’izay anefa izy fa mbola nampiasa ireo vola sandoka ireo ihany tamina toerana fialam-boly iray teto Antsirabe, tao no nisy nahatsikaritra fa vola sandoka no nampiasainy. Niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon’andraikitra ka sarona teo ilay rangahy. Rehefa nosavaina ny Hotely niperahany, dia mbola nahitana vola sandoka 10 000 ariary maro be ka 10 tapirisa ariary ny fitambarany. Marihina  fa tsy mponina avy eto Antsirabe io lehilahy io fa hanao ny asa ratsiny no nahatongavany teto.  Tsy nijanona teo ny fanadihadiana, fa rehefa natao ny famotorana  dia nanoro ny namany iray hafa izy, izay mipetraka any Ampefy Soavina Antananarivo. Niroso tamin’ny fisamborana ity farany koa ny mpitandro filaminana. Tsy afa-niala ranamana fa nahitana vola sandoka 20 000 ariary am-polony maro koa tao aminy. Ankoatra izay dia gony feno sokatra kely tsy latsaky ny 50  koa no nafeniny tao anaty gony, hita tao amina lavadrano maina nisy trano fonenany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici