- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zandary nitifitra taxi-brousse, mpandeha iray nipotsaka atidoha, iray hafa naratra.

Antsirabe : Zandary nitifitra taxi-brousse, mpandeha iray nipotsaka atidoha, iray hafa naratra.

« Tsy nisy nahafantatra izahay, fa nitety ny seza fipetrahana ny bala, ny fofona vanja nanentoento tao anaty fiara no nanaitra ny mpandeha rehetra. Tovolahy iray no nandrehitra finday nitsilo ny olona teo akaikiny, izay vao taitra  nahatsikaritra ity olona efa miala aina, potika tanteraka ny lohany ary feno rà nanodidina azy. «  Hoy ny mpandeha iray nijoro ho vavolombelona tamin’ny tifitra nahazo ny fiara nandehanany, ny Sabotsy maraina lasa teo.

Fiara mpitatitra iray avy any Fianarantsoa hizotra ho any Antananarivo no notifirina zandary nanao P.R teo Tombontsoa, tamin’ny Sabotsy 17 Septambra  tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo. Nambaran’ny mpamilin’ny fiara, fa nanao dia be niaraka “caravane “ ny fiara maromaro rehefa nandalo ny sakana teo Sahanivotry. Tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka, nandalo fisavana indray  teo Tombontsoa ny fiara, fa ity Sprinter iray ity no maty ny jiro amin’ny ilany ankavia ka nosakanana zandray iray. Voalaza anefa teo ampovoan’ny ‘caravane » no nisy azy. Nifampiresaka ny roa tonta raha ny fanazavana ary rehefa niroso tokony ho teo amin’ny 5 metatra monja teo ilay fiara Sprinter  no naheno fipoahana mafy be ny mpamily sy ny mpandeha. Nihevitra aho hoy ilay mpamily ny fiara, fa jiolahy mpanakan-dàlana no nitifitra fa tsy ho zandary mihitsy ka notohizako ny diako. Rehefa lasa sahabo ho 200 metatra teo ho eo vao nijanona, satria nisy nahatsikaritra fa misy olona maratra mafy ary namofona vanja tao anaty fiara. Rehefa narehitra anefa ny jiro vao tsikaritra  ity olona efa miala aina, niparitaka tamin’ny seza fipetrahana ny atidohany ary feno rà ny fiara. Nezahina nentina tao amin’ny CSB II tao Andranomanelatra ihany ilay voatifitra,  saingy nilaza ny dokotera fa tsy ho avotra intsony fa mila hoentina eto Antsirabe. Noho ny tahotry ny mpandeha hiverina teo amin’ilay zandary nanao P.R nitifitra, dia ny voatery naka zandary hafa tao amin’ny « Poste avancé » Andranomanelatra ny fiara hitondra azy ireo hiverina eto Antsirabe. Tsy tana intsony anefa ny ain’ity rangahy tokony ho 50 taona eo ho eo ity, fa maty rehefa tonga tao amin’ny hopitaly. Mpandeha hafa iray ihany koa no fantatra fa naratra ny sandriny nandalovan’ny bala. Raha ny fahitana ny fiara, niditra teo amin’ny fitaratra aoriana ny bala, niantefa teo amin’ny lohan’ilay rangahy teo amin’ny fipetraha aoriana indrindra, marihina fa natory io rangahy voatifitra io. Nitety ny fipetrahana indray ny bala, ka nahazo ny fasiana loha teo aloha, soa fa natory  nisompirana ity farany ka afa-doza, nahazo ny sandrin’ilay mpandeha hafa ny bala, nandalo teo ambonin’ny lohan’ny mpamily izay vao niafara teo alohan’ny fiara. Milimetatra monja avy no tsy nahafatesana olona maro be tao anaty fiara.

Ny Sabotsy harivan’io ihany, dia nampiantso ny mpanao gazety ny zandary ary nilaza fa noraisina ny fepetra, ka naato amin’ny asany maha-zandary azy ity mpitandro ny filaminana ity ary efa nosokafana ny fanadihadiana. Noraisin’ny zandary an-tànana koa ny fikarakarana ny razana sy ny fitondrana azy ho any amin’ny tany niaviany ary nitsapa alahelo ny fianakavina ny vondron-tobim-pileoavana eto Vakinankaratra. Raha ny angom-baovao hatrany , fantatra fa zanaky ny filohan’ny komity lehibe Manolotrony ao Fianarantsoa ilay rangahy namoy ny ainy, avy ao amin’ny Toby Famoriana Andranovorivato. Nikasa hamonjy fanokanana zana-toby ao Alasora Antananarivo izy io maty io.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici