- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza telo, fianakaviany akaiky ihany no nanolana azy

Antsirabe : Zaza telo, fianakaviany akaiky ihany no nanolana azy

Zaza telo no fantatra fa niharan’ny fanolanana indray teto Antsirabe, ny faramparan’ny volana oktobra teo iny. Fantatra fa fianakaviana akaiky azy ireo ihany no nahavanon-doza tamin’ireo zaza tsy manan-tsiny ireo. Raha ity tranga niseho tamin’ny 14 oktobra teo, ohatra, dia ny dadafarany ihany no nanolana azy. Nanao fialan-tsasatra tao amin’ilay dadafarany ity zazavavy 13 taona ity izao niharan’ny filan-dratsin’ilay rangahy izao. Nitaraina ho narary ilay zaza, ka izay no nahafantaran’ny fianakaviana azy. Taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana, dia nosamborina ilay dadafarany ary efa any am-ponja amin’izao fotoana. Zaza roa hafa koa naolan’ny fianakaviany akaiky azy, vao 6 sy 9 taona monja ireto zaza ireto. Raha ny fanazavana, nozarin’ilay rangahy mijery ireny film sy sary mamoafady ireny aloha  ireto zaza, taty aoriana nanaovany fanandramana ka  nampihariny tamin’ilay zaza ny filan-dratsiny.Voalaza moa, fa simba avokoa ilay zaza roa. Efa any am-ponja  ilay rangahy miandry ny fitsarana azy.

 Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici