- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza telo nisy naka an-keriny, tafaporitsaka tsy nahy

Antsirabe : Zaza telo nisy naka an-keriny, tafaporitsaka tsy nahy

Zaza telo vavy kely no nisy naka an-keriny tao Antsongo Antsirabe ny harivan’ny sabotsy lasa teo. 11 taona ny iray, 5 ny iray hafa ary mbola 2 taona monja ny iray farany. Mpiray tampo ny roa vavy, naman’izy ireo kosa ilay iray hafa. Raha ny angom-baovao teny an-toerana, fiara tsy mataho-dalana miloko fotsy, tsy misy laharana amantarana azy no nambaran’ny mponina fa naka ireo zaza ireo teo am-pilalaovana. Napetraka tsy lavitra loatra ny trano fonenan’ireo ankizy ilay fiara. Nambaran’ny loharanom-baovao fa natao antsangory ny roa tamin’ireo zaza, ny iray kosa notantanan’ilay mpaka an-keriny talohan’ny nampidirana azy tao anatin’ilay fiara 4*4. Tsy nisy niraika aloha ny manodidina teo fa nihevitra ho fianakavin’ireo zaza no naka azy. Tonga avy nivavaka ny ray aman-drenin’ireo zaza tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro   vao gaga fa tsy nody nisakafo antoandro ny zanany roa. Nandrasana fa tsy nisy tonga na ny hariva aza, teo vao samy nikoropaka nitady sy nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana moa ireto farany nanao fizahana sy nijery akaiky ny raharahara. Nandritra ny sabotsy tontolo andro tsy nahenom-baovao ary tsy nahitam-bokany ny fikarohana rehetra. Ny alahady tokony ho tamin’ny 3 ora hariva, akory ny hatarain’ny ray aman-drenin’ilay zaza nahita ny zanany tonga tao an-trano. Araka ny loharanom-baovao hatrany moa, tany amin’ny kaominina Ambano, Antsirabe faharoa no nitondrain’ilay fiara azy telovavy kely. Tsy fantatra aloha izay niseho fa voalaza fa niharan-doza ilay fiara,nifatratra tamina hazo lehibe iray. Ramatoa sendra nanondraka anana no nahita ny fitrangan’ny loza ary gaga ity farany nahita ireo mitomany ao anaty fiara. Noteran’ilay ramatoa ilay mpamily hamaoka azy telo vavy kely migogogogo mitomany, ary nony farany tafavoaka ihany izy telo kely; ilay mpamily kosa nitsoaka nandositra vao nahita ny zaza tsy teo aminy intsony. Io ramatoa io no voalaza fa nampiantrano azy telo vavy kely ka nandefa azy nody ny ampitson’iny rehefa fantany fa mahatody lalana irery ireo zaza. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitry.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici