- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza tsy hita dimy taona, efa nisoratra tamina teratany karàna

Antsirabe : Zaza tsy hita dimy taona, efa nisoratra tamina teratany karàna

Tsy nitsaharatra nivezivezy nanao fisafoana nanerana ny tanan’Antsirabe ny Emmoreg niampy ireo mpitandro filaminana sy ny orinasa mampiasa ireny mpiambina  ireny teto Antsirabe omaly nanomboka ny tolakandro iny. Tsikaritra koa fa saika nanidy ny fivarotany mialoha avokoa ireo mpivarotra lehibe teratany karàna tao Antsenakely. Izany dia vokatry ny feo niely fa hamaly faty ny andian’olona raha vao tsy mahafa-po azy ireo ny fitsarana eo amina teratany malagasy sy karàna niady zaza. Omaly mantsy no niakatra fitsarana ity raharaha ity. Raha tsiahivina, efa dimy taona lasa izay no nanao filazana sy fitarainana ny fianakaviana malagasy  iray monina eny Andranomandevy Antsirabe  fa very zanaka. Efa natao ny alanenina rehetra sy ny fikarohana nandritra ny taona maro fa tsy nahitam-bokany izany. Efa nionona ny fianakaviana nandritra izay dimy taona izay, satria efa lany aiky tamin’ny fikarohana. Tsy nampoiziny anefa ny zava nitranga , fa tazan’ny havany  teny amin’ny hopitaly ilay zaza tamin’ny alatsinainy lasa teo saingy hataraina ny an’ny fianakaviana fa efa misoratra amina teratany karana ilay zaza. Nanetsika ny fitoriana ireto nitonona ho ray aman-drenin’ilay zaza ka niakatra fitsarana omaly ny raharaha. Araka ny vaovao voaray dia nilaza ireto teratany karana fa manana taratasy mazava tamin’ny nananganany ilay zaza ary nambarany fa nalainy tamina toerana fitazaina zaza sahirana io zaza io, izay marihana fa efa folo taona izy amin’izao. Io no ifandroritan’ny roa tonta eny amin’ny fitsarana omaly tolakandro, hatramin’ny ora nanoratana moa dia tsy mbola nivoaka ny didy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici