- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza vao teraka nisy nanary, velona soamantsara

Antsirabe : Zaza vao teraka nisy nanary, velona soamantsara

Zazalahy kely vao teraka, tsara fono anaty lamba, no narian-dreniny ka nisy nahita tao Saroloha Antsirabe. Polisy mpianatra asa handeha hamonjy ny fodiany no nahita ilay zazamenavava tao anaty kirihitr’ala ny Alarobia hariva lasa teo. Zazakely vao haingana mihitsy izy ity no teraka nefa dia izao nariana izao, mbola tsy maina ny foitrany. Voalaza fa ny ray aman-drenin’ilay polisy no nandray an-tanana ilay zaza ka nitondra azy haingana tany amin’ny Hopitaly Atsimo. Salama tsara ilay zaza ankehitriny ary nomena hotezain’ny « fikambanana manorina » ao Verezambola rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny « juge des enfants » ny mpitandro filaminana. Ity fikambanana ity dia efa mpiara-miasa amin’ny polisy hatrizay raha ny fanazavana avy tamin’ny DRSP eto Vakinankaratra. Tsy fantatra ary tsy hita izay mety ho ray aman-drenin’ilay zaza hatramin’zao. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici