Zava-doza indray ity nitranga teto Antsirabe ity, zazavavy kely roa mpiraitampo no naholana bandy 17 taona, tsy lavitra fa fianakaviany ihany.
Raha ny fantatra dia efa am-bolana maro mihitsy no nanaovan’ity tovolahy ity ny filan-dratsiny tamin’ireto zaza ireto. Vao 5 taona monja ny iray, ary 7 taona kosa ilay zokiny. Asesiny tsirairay ireto zaza, asainy manao ireny fihetsika amin’ny horonan-tsary mamoafady ireny ilay zokiny 7 taona, efa im-betsaka koa no nanaovany firaisana ara-nofo tamin’ilay zandriny, nilaza mazava mihitsy moa ity farany fa nangirifiry izy nandrintra ny herisetra nihatra taminy. Ao an-tranon’ilay tovolahy kely no hanaovany ny filan-dratsiny amin’izy roa kely, ary saika hanaovany izany avokoa rehefa toerana ao an-tranony. Rehefa vita ny nataony, rahonany ireto zaza mba tsy hilaza na amin’iza, na amin’iza, noho ny tahotra koa dia tsy sahy niteny ireto tsy manan-tsiny. Tsikaritr’ilay reniny anefa taty aoriana fa nisy mibindana menamena ny fivavian’ny zanany, nentiny tany amin’ny mpitsabo avy hatrany ireto zaza ary, teo no nahafantarana fa tsy in-dray akory fa efa niharana’ny fanolanana maro tokoa ilay zaza. Taorian’izay vao sahy nitantara ny nahazo azy izy roa kely. Nosamborina avy hatrany ilay kely tsy mahay miaina ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy. Marihina fa tsy nihaiky ny heloka vitany mihitsy ity bandy kely ity nandritra ny famotorana natao taminy.
Andry N.