Niteraka resakabe sy tsaho teto Antsirabe ny fisian’ny zaza very nisesisesy hatramin’ny niandohan’ny volana mey lasa teo. Nahatratra enina ireo fianakaviana nametraka taratasy mombana zaza very tao amin’ny polisy raha ny tatitra azo avy tamin’ny tompon’andraikitry ny sampan-draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona. Voalaza anefa fa, efa hita avokoa ireo zaza ireo fa tsy araka ny tsaho miely eto Atnsirabe fa mirongatra ny hala-jaza. Tranga hafa kosa ny fahamaroan’ireo zaza tsy manan-kialofana sy mirenireny hitan’ny olona. Fa hita tamin’ny zoma 23 mey 2014 lasa teo kosa ilay zaza very teto Antsirabe , tao Behenjy no nahitana azy araka ny fanazavana nomen’ny polisy. Raha tsiahivina, ny 12 mey 2014 no nanomboka tsy hita ilay tovolahy kely iray antsoina hoe Gino. Hamonjy fianarana ao amin’ny CEG Soamalaza no nialany tao an-trano tamin’io fotoana io, nilaza anefa ny tao an-tsekoly fa tsy tonga nianatra i Gino tamin’io fotoana io ary tsy hita intsony nanomboka hatreo. Natao ny filazana samihafa tamin’ny haino aman-jery sy gazety, tsy nahitam-bokany izany. Ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa nisy nahita tany Behenjy ilay zaza very. Mbola misafotofofo be ny fandehan’ny raharaha ankehitriny, mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana rahateo ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ka tsy fantatra marina ny zava-nitranga nahazo an’ity zaza very ity. Ny hany fantatra dia nisy olona nampiantrano ilay zaza , ireo farany no nampandre ny fianakaviana avy eo.
Marihana fa efa kamboty ray i Gino ary avy amina fianakaviana sahirana. Fikambanana iray antsoina hoe “ Enfants et Villages ruraux d’Antsirabe” no miantoka azy amin’ny fianarany, ity fikambanana ity izay miahy ankizy hatramin’ny 385. Nomarihan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny fikambanana moa fa zaza mianatra i Gino no sady mahay, ary isan’ireo zaza mitana ny laharana hatramin’ny fahatelo foana ao an-dakilasy.
Andry N.