Zava-doza no nahazo ilay tovolahy kely iray manodidina ny 11 taona eo ho eo fa notaritarihan’ny fiara mazda iray efa ho 2 km be izao. Nambaran’ilay mpamily, raha ny fanazavana voaray, fa tsy nahatsikaritra akory ny fisian’io zaza io tao ambanin’ilay fiara izy. Tao Mandaniresaka no nianga ity fiara ity tamin’ny alahady 2 febroary lasa teo ary efa lasa lavitra mihitsy vao tsapany fa misy manelingelina ao ambany fiara, noheverinin’ity mpamily moa fa alika no nitsahiny ka saika hanala azy izy raha nijanona tamina toby iray. Akory anefa ny hagagany fa zazalahy kely no tao ambany fiara. Fitahian’Andriamanitra, hoy ny filazan’ny fianakavian’ilay ankizy lahy kely, fa avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Raha alaina sary tokoa mantsy ny zavatra nihatra tamin’ity boy kely ity dia tsy azon’ny saina eritreretika tokoa ny hahavelona azy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Andranomadio moa ilay zaza amin’izao fotoana ary tsy atahorana ny ainy, raha ny fanazavana azo. Nahitana fivakisana teo amin’ny lohany ary feno ratra ny vatany.
Andry N.